Entrée | 1 Ali-mainty mamanala |
Mots élémentaires | 2 ali-mainty, 3 mamanala |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Texte complet |
7 Njany rivotra mitsoka, rivotra mamirifiry, 8 Mahangoly ny aty tsoka sady mampangirifiry; 9 Efa maty re ny afo ka tsy misy hamindroana, 10 Iza no hanafosafo? Ineny no tsaroana! 11 E! ry alin'alahelo! ali-mampahoriory, 12 Tairinao hamelovelo ny eritreritro matory, 13 Ka ny fasana mihidy no nanjary novohany, 14 " Neny tiana " no tadidy ka ny foko dia tomany. 15 Aiza izao ankehitriny, ô ry alina somamby, 16 Iny reny mamiko iny, nahazoako tambitamby? 17 Volana izy ka nisoka nefa tsy hiseho intsony! 18 Ory loatra fa sodoka ny kamboty toy itony! 19 Fony i Neny mbola teto, tsy mba nisy fahoriana, 20 Tsy mba fantatra ny sento, lavitra ny fanahiana, 21 Voronkely nombombana, nandry tsy nadisadisa , 22 Saron'elatra mafana, nanonofy Paradisa! 23 Nefa izao dia mamanala izato alina mavany , 24 Erika sy patrakala no nanondraka ny tany; 25 Tora-kovitra indrisy!'lay tsy zatra mba nihafy, 26 Lamba rovitra no misy, nefa tsy mba mahatafy! 27 Eny! tsy mba eto intsony i Neny nampiondan-tsandry, 28 O! ry alina malony , tairinao ny fota-mandry! 29 Ranomaso no mandriaka, sady jenjina ny loha, 30 Fa ny ali-mangatsiaka ali-mampamohafoha! 31 O! ry ali-mampisaona, mampanembona ny foko, 32 Ora firy, sa ho taona, vao hangina ny toloko? 33 Sa ny alinay kamboty holanin-kitomaniana, 34 Ho famoizana ny angoty fony nanan-dreny tiana? 35 Ngolingoly sady ana re, ry alina, izahay, 36 Lamba be tsy rtlahafana no arakotrao anay; 37 Aza ela, mikipaha, ry ali-mampisento, 38 Ry masoandro, miposaha, fiadanana no ento. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |